Tsy atoro antsika intsony I Voahirana.Mpihira manana ny toerany tokoa izy eo amin’ny sehatry ny zava-kanto malagasy ary hankalaza tsy ho ela ny faha 40taonany .

Ramahavalisoa Olga no anarany,VOAHIRANA no nentiny ampahafantarana antsika eo amin’ny sehatry ny zava-kanto.
Efa zatra sehatra tokoa izy satria Rtoa Raolialinoro tao amin’ny tarika ANALAMANGA VAOVAO no reniny ary Atoa Ramarokoto no nitaiza azy.Razafindrabe Richard mpitendry zava maneno ao amin’ny tarika no vadiny ary niteraka 3 mianadahy.
*9 taona monja izy dia hita fa tia mihira sy miakatra an-tsehatra manaraka ireo ray aman-dreniny nanao fampisehoana.Ankoatr’izany ny fanentanany ny fetin-tsekoly fony izy teny faravohitra sy ny fetim-pianakaviana.
ABEL RATSIMBA no nanokatra ny làlany,satria nohon’ny tsy fahafahan-dreniny ho raisim-peo miaraka ireo mpihira roa tonta,dia I Voahirana no nasaina handray ny toerany ka fahagagana sy talanjona nahita ity zaza vavy manga feo sy maha be fanantenana.Nanomboka teo dia tafiditra ho tariky Abel Ratsimba izy.”Ry alina ô!” anisan’ny hira voalohany nataony tamin’ny tarika(CD réédition 2006).
*13taona izy no nihaona tamin’Atoa HENRI RATSIMBAZAFY tonga ianatra ny hira “Manimanina”.Tafavoakany avy hatrany !Hatreo dia antsoina foana izy iara-hikalo hira hafa ihany koa:Kanefa ianao tsy tonga,bobongolo ilay fitia...
*Teo amin’ny faha 15taonany dia nantsoina vonjy maika izy hanao fampisehoana miaraka amin’ny tarika Ratsimbazafy satria tsy afaka tampoka ilay tovovavy voahomana tamin’izany.Tapaka fa ho tohizana ny dia! .








Nanomboka teo no niantsoana azy ho VOAHIRANA,nohon’ny zanaky Henri Ratsimbazafy manana izany anarana izany.Niorona nanaraka koa ireo VOAHIRANA TELO MIRAHAVAVY.
1965 no taona tena nampivelatra ny talentany.
Hafa mihintsy ny feon’I Voahirana ary ny hira kaloiny dia toa hiainany tanteraka.Mahay mampita hafaliana amin’ireo mpijery azy izy.
Manana toe-tsaina mivelatra sady tsotra koa.
Tsy mihaotra izy na misalasala mampiaram-peo amin’nireo mpanan-talenta malagasy.
Ankoatry ny renivohim-paritany sy tanàna maro manerana ny nosy dia efa nitsidika firenena hafa ihany koa izy.
*JAPON -OSAKA TOKYO 1975 nandritra ny 1taona
*KENYA 1976-Hilton Nairobi
*ITALIE-1981 Rotary Club
*FRANCE 1970-1982-1983 festival de variété.Paris Rouen
*ALLEMAGNE RDA 1985 “festival”Drest
BESSA VOAHIRANA RATSIMBAZAFY

*MAURICE 1988-Jumellage Tana/Curepipe

*COREE DU NORD 1989-1990-Pyong yong

*MOSCOU 1990-Fampisehoana maro

Tommy.


PAGE D’ACCUEIL